|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Ny Varavarankelinao |
| Singan-teny | 2 varavarana, 3 kely |
| Sokajin-teny | 4 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 5 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
6 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
| Lahatsiratra manontolo |
7 8 Mandalo eo matetika aho, dia manjary fahazarako 9 Ny mahita anao mitazana eo am-baravarankely 10 Fotoana fohy fifaliako, fotoana fohy fahasambarako 11 Eo ny endrikao mitsiky, mitsikitsiky toa anjely. 12 Mandalo eo matetika aho dia mitraka hatrany hatrany, 13 Mino fa hahita anao, dia mahita anao tokoa ! 14 Tsy hita intsony ny hafaliako sy hasambarako amin’izany 15 Fa manenika fanahy, mahatototra ny fo… 16 Andray izay fahatairako, nandalo teo aho izao… 17 Nikatona àry fa nahoana, ny varavarankelinao ? 18 Nitanondrika ny fo, ny fanahy nangenahena… 19 Nanohy nandalo ihany aho, tsy nivoha hatramin’izao, 20 Angamba tsy hivoha intsony, ny varavarankelinao. 21 Mitanondrika ny fo, manomboka tsy hanantena. |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08 |
|